4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho iray - Mage 4

HO IRAY



Raha vao mahita anao aho

Miantsoantso mafy

Averimberiko hoe

“Izay tia adala”

Raha vao manembona aho

Fantatro foana

Mahatsiaro faly aho aty

Rehefa miaina aminao anaty nofy



Natao ho iray (3)

Ny fiainanao

Natao ho iray  (natao ho iray )

Ny fiainanao



Leferiko izay vita

Tsy fahotana

Ny iainanao taloha

Tiako tsy hita

Ny antsika tsy fijaliana

No iainana ety

Ireo adalana taloha

Dia ho soloin’ilay fitia tsy mety lefy



Natao ho iray ….



Fa vavaka no atao

Ho fefin’ny fiainantsika

Tsy hisy handrava intsony

Izay niainan-tsika roa

Noho ilay fitia



Ny antsika tsy fijaliana

No iainana ety

Ireo adalana taloha

Dia ho soloin’ilay fitia tsy mety lefy



Natao ho iray ….

Partager ho iray

Commenter ho iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite